Albania
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Albania na Repoblikan' i Albania dia firenena ao Eorôpa, ao amin' ny tapany atsimon' io kôntinenta io, ao amin' ny Saikanosy Balkanika. I no Tirana no renivohiny. Manana velaran-tany mirefy 28 748 km² izy. Atao hoe Shqipëria na Republika e Shqipërisë [ɾɛpuˈblika ɛ ʃcipəˈɾiːsə] (ara-bakiteny: "firenen' ny voromahery") izy amin' ny fiteny albaney. Mamaritra ny sisin-tanin' i Albania ao avaratra-adrefana i Môntenegrô sy i Makedônia Avaratra, ao avaratra-atsinanana i Kôsôvô, ary ao atsimo-atsinanana i Grisia.
Firenena be tendrombohitra i Albania, izay ahitana tampona mahatratra haambo eo anelanelan' ny 2 100 m sy 2 600 m. Ny tany iva, izay hita amin' ny tapany andrefan' io firenena io, dia manamorona ny Ranomasina Adriatika. Rakotra ala ny iray ampahatelon' ny tanin' i Albania. Ny mponin' i Albania dia ahitana indrindra ny Albaney, izay heverina ho taranaky ny Iliriana (isan' ny vahoaka indô-eorôpeana). Ny Grika, ny Rôma, ny Serba ary ny Bolgara no vahoaka vitsy anisa ao. Ny ankamaroan' ny mponina dia Miozolmana. Maro ny Albaney niorim-ponenana ao amin' ireo faritra sy firenena manididina: ao Kôsôvô, indrindra, any Makedônia sy any Serbia ary any Môntenegrô. Nandritra ny ady tao Kôsôvô tamin' ny taona 1999 dia nandray Albaney voaroaka avy any Kôsôvô miisa analiny maro i Albania. Anisan' ireo firenena mahantra indrindra ao Eorôpa i Albania izay manakina ny toekareny amin' ny fambolena. Tamin' ny taona 1997 dia nizaka fahasahiranana ara-toekarena i Albania.
| |||
Fiteny | albanezy | ||
Renivohitra | Tirana | ||
Praiminisitra | Edi Rama | ||
Filoham-pirenena | Bujar Nishani | ||
Velarantany | 28.748 km² | ||
Mponina - Manontolo (2004) - Hakitroka |
Liste des pays par population 3.782.960 mponina 131 mpo/km² | ||
Anarana | |||
Fahaleovantena | 28 Novambra 1912 | ||
Sandam-bola | |||
Faritra ora | UTC +1 | ||
Faritra Internet | .al | ||
Antso an-tariby | 00355 | ||
Hiram-pirenena | Hymni i Flamurit |