Apôkalipsin' i Joany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Apôkalipsin' i Joany, na Apôkalipsan' i Joany, na Apokalypsin' i Jaona na Apôkalipsy, Fanambaràn' i Jesoa Kristy na Fanambaràna no boky kanônika farany ao amin' ny Baiboly kristiana, ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay misy faminaniana momba ny andro farany sy ny fitsarana farany. Misy toko 22 ity boky ity.
Ny mpanoratra ny Apôkalipsy dia mitonon-tena ho i Joany, ary ny lovantsofina tranain' ny Fiangonana, nanomboka tamin' ny taonjato faha-2, dia nanao an' io Joany io ho i Joany Evanjelista, apôstôly sy mpanoratra ny evanjely fahatelo. Ny manam-pahaizana ankehitriny dia tsy mitovy hevitra satria sarotra ny milaza fa ny nanoratra ny Evanjelin' i Joany sy ny Apôkalipsy dia olona iray ihany, na dia mety nivoaka avy amin' ny fiangonan' ny mpianatr' i Joany Apôstôly tao Efesôsy (na Efeso na Efezy) any Asia Minora (Torkia ankehitriny) ireo boky roa ireo.
Ny vanimpotoana tokony ho tandrify indrindra ny nanoratana ny Apôkalipsy dia ny fiafaran' ny fanapahan' i Dômitiano (taona 91-96 taor. J.K.), izay nisehoan' ny fanenjehana mafy ny Kristiana. Mety ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 96 izany.
Nosoratana ho an' ny "fiangonana fito any Asia" ny Apôklipsy, dia i Efesôsy, i Smirna, i Pergamôsy (na Pergama), i Tiatira, i Sardisy (na Sarda), Filadelfia ary i Laôdikea (na Laôdisea, Laôdikia). Ny isa fito, izay midika am-panoharana hoe "fahafenoana", dia ahafahana manakatra fa ny Fiangonana tsy an-kanavaka no iantefan' ny Apôkalipsy.
Maro ny fanoharana sy sarin-teny (simbôly) ao amin' io boky io ka maro toy izany koa ny fomba fivoasana sy fanakarana izay zavatra tiany hambara. Ny teny hoe apôkalipsy dia avy amin' ny matoanteny grika izay midika hoe "manala sarona".