Asan' ny Apôstôly
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Asan' ny Apôstôly dia boky fahadimy ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay mitantara ny fiainan' ny fiangonana kristiana tany am-piandohana. Tohin' ny Filazantsara araka an' i Lioka ity boky ity. Mitantara ny fanatanterahan' ny Apôstôly ny iraka nampanaovin' i Jesoa (na Jesosy) azy ireo hitory ny Vaovao Mahafaly ao amin' ny Jiosy (na Jody) sy amin' ny firenena jentilisa na jentily (Asa 1:8) ho lasa zanak' Andriamanitra io boky io. Mitantara koa ny fifandirana nisy teo amin' ny Jiosy tsy kristiana sy ny Kristiana ny amin' i Jesoa ny Asan' ny Apôstôly (Asa 4:1-31; 7:1-59). Araka ity boky ity dia ny Fanahin' Andriamanitra no hitarika azy ireo hitory ny Vaovao Mahafalin' i Jesoa amin' ny firenena rehetra. I Paoly, izay tsy anisan' ny Apôstôly roa ambin' ny folo, no tantaraina ao amin' ny Asan' ny Apôstôly fa nafana fo indrindra tamin' ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly taorian' ny niovany fo avy amin' ny fivavahana jiosy ho amin' ny fanarahana an' i Kristy. Misy toko 28 ity boky ity. Teo anelanelan' ny taona 60 sy 100 taor. J.K. no nanoratana azy tamin' ny teny grika tao Rôma.