Azerbaijàna Iraniana
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Azerbaijàna Iraniana dia faritra any avaratra-andrefana amin' i Iràna, izay a hitana tanàn-dehibe manan-tantara maro ao amin' ity firenena ity toa an' i Maragha, i Tabriz, i Zanjan, i Ardabil ary i Urmia. I Azerbaijàna Iraniana dia onenan’ ny Azery miisa 12 na 15 ka hatramin' ny 30 tapitrisa (araka ny tombantomban' ny CIA, araka ny governemanta iraniana amin' ny tranga voalohany, ary farany araka ny nasiônalista azery amin' ny faharoa). Io faritra io ankehitriny dia tandrify faritany maro (i Azerbaijàna Atsinanana, i Azerbaijàna Andrefana, i Ardabil ary i Zanjan) ary koa tandrify ny ampahany amin' ny faritanin' i Hamadān sy ny an’ i Qazvin.