Bokin' ny Eksôdôsy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' ny Eksôdôsy na Bokin' ny Eksaody dia boky faharoa ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izay mitantara ny fanafahana ny Hebreo (na Hebrio) avy any Ejipta sy ny fivezivezeny tany an-tany efitra hatrany amin' ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia).
Maneho ny fisian' ilay Andriamanitra mpanafaka io boky io. Anisan' ny Pentateoka (boky dimy voalohany ao amin' ny Baiboly) ny Eksôdôsy. Ny Bokin' ny Eksôdôsy ao amin' ny Baiboly jiosy dia anisan’ny Torah, fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa dia anisan' ny Pentateoka.