Fahefana Avon' ny Tetezamita
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (frantsay: Haute Autorité de l'Etat - HAT) dia rafitra mpanatanteraka vonjimaika tonga teo amin' ny fitondrana teto Madagasikara taorian' ny fanonganam-panjakana nanery an' i Marc Ravalomanana handao ny firenena tamin' ny 17 Marsa 2009, vokatry ny fihetsiketsehana tamin' ny taona 2009. Nitarika izany i Andry Rajoelina, izay nanendry mpikambana tao amin' ny filankevi-pitantanana herinandro vitsivitsy talohan' ny fanolorana ny fahefana mpanatanteraka avy amin-dRavalomanana ho an' ny miaramila, izay nanome ny fahefana ho an' ny Fahefana Avon' ny Tetezamita. Tamin' ny voalohany dia nanjakan' ny Tanora Malagasy Vonona (TGV), ankolafy Rajoelina, ny Fahefana Avon' ny Tetezamita (FAT).
Ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny volana Desambra dia niafara amin' ny fihodinana faharoa teo amin' i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina. Nambara tamin' ny 7 Janoary 2014 ny vokatra ôfisialin' ny fihodinana faharoa ka nanambaràna an' i Hery Rajaonarimampianina ho mpandresy tamin' ny vato manakaiky ny 54 %. Io fifidianana io no namarana ny Fahefana Avon' ny Tetezamita ary namerina ny fitondrana ara-dalàna teto Madagasikara[1].