Indônezia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Indônezia, na Repoblikan' i Indônezia (amin' ny fiteny indônezianina Republik Indonesia), dia firenena eo anelanelan' i Azia Atsimo Asinanana sy i Ôseania. Ny firenena indônezianina dia tamba-nosy misy nosy miisa 17 500, ka izy no tamba-nosy lehibe sy mivelatra indrindra eto an-tany. Ny isan' ny mponina ao aminy dia 240 tapitrisa mahery, firenena fahefatra be mponina indrindra i Indônezia ary firenena mozilmana voalohany indrindra raha ny isan' ny mpino no heverina. I Indônezia dia Repoblika Demôkratika tsy manana fivavaham-panjakana. I Jakarta no renivohi-pirenena ary anisan' ny tanàna lehibe indrindra eto an-tany.
Republik Indonesia ((id)) | |||||
Repoblikan' Indonezia ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Bhinneka Tunggal Ika (vieux-javanais : « Unité dans la diversité ») | |||||
Teny ofisialy | Bahasa Indonesia | ||||
Renivohitra | Jakarta 6°10′5″S 106°49′7″E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Jakarta | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Joko Widodo | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 15 1 904 570 km² 4,85 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2019) - hakitroka |
faha 4 268 512 352[1] mpo. 132 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Indonezianina, Indônezianina | ||||
IDH (2019) | Endrika:Mihidina 0,707 (atonontonony) faha 111 | ||||
Sandam-bola | rupiah (IDR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +7 à +9 | ||||
Hiram-pirenena | Indonesia Raya | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+62 |
Tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K., ny tamba-nosy indônezianina dia faritany anjadian' ny kolontsaina hindoista avy any India ary ny kolontsaina avy any avarany. Ny lehiben' ny tanàna-fanjakana eo amin' ny morontsiraka indônezianina dia nisafidy ny endrika ara-kolontsaina sy ara-pinoana ary ara-pôlitika indianina (hindoa). Ary hatry ny taonjato faha-8, nikisaka tany amin' ny fanjakan' i Srivijaya, fanjakana iray lehibe tao atsimon' ny nosy Somatra, ny afovoan' ny fifandraisan' i Azia Atsimo sy Azia Atsinanana. Tao Java indray dia nivoatra ny kolontsain' ny mponina mpamboly vary (noho ny fisian' ny fanjakana sy ny fianjadian' ny haifomba Srivijaya tsy lavitry ny eo) namela ny fanjakana hanamboatra tsangambatom-pinoana. Teo no fanombohan' ny taona klasika indônezianina.
Ny lakandranon' i Melaka dia lasa toerana be mpandeha sambo satria mankeo ny ankabeazan' ny landy hamidy any Azia Andrefana sy any Eorôpa. Ny tamba-nosy Indônezianina dia mampiharo amin' ny fanaparitahana iraisam-pirenena anjakazakan' ny mpivarotra mozilmana. Mivadika silamo hatrany ny printsin' ny seranana.
Tamin' ny taonjato faha-16, tamin' ny taonan' ny Fahitam-baovao tany Eorôpa Andrefana noho ny fahitana kôntinenta vaovao, hitady lalana hankany Azia Atsimo sy Azia Atsinanana ny hery am-pihariankarena eorôpeana, mitady ny lalana hahafahany mividy episy ny Eorôpeana. Tamin' ny 1511, resin' ny sambo pôrtogey ny Malay tao Melaka ary nanomboka nofeheziny ny lalana mankany Azia Atsinanana ka toraka izany koa ny fivarotana landy sy episy. Ny Hôlandey no nandresy ny Pôrtogey tao Melaka tamin' ny taona 1605 ary nanomboka nozanahin' ny Hôlandey i Indônezia nanomboka tamin' io taona io. Taona amam-polony aty aoriana, nanomboka nanjanaka nipetraka tany amin' ny nosin' i Java ny Hôlandey ary nataony renivohitra ny tanànan' i Jayakarta, novainy anarana ho Batavia (Jakarta ankehitriny). Potiky ny adim-pifandimbiasan' ny Fanjakan' i Mataram ny nosy Java ka nanome tsikelikely ny taniny tamin' ny mpanjana-tany hôlandey. Tamin' ny taonjato faha-19, manomboka ny fitsentsefana ara-toekarena nataon' ny mpanjanatany hôlandey, ary mametraka ny lalàny eo amin' ny tamba-nosy izy ireo. Ka nipoitra tamin' ny taonjato faha-20 ny hetsiky ny olona tia tanindrazana. Tamin' ny taona 1945, i Sukarno ary i Mohammad Hatta dia niady ary nanambara ny fahaleovan-tenan' i Indônezia. I Sukarno no nitondra ny firenena tamin' ny taona 1945 ka pôlitika sôsialista no nataony ka nihanahantra dia nahantra ny Indônezianina tamin' ny taompolo 1950. Tao aorian' ny zava-nitranga tamin' ny 1965-1966, naka ny fahefana i Suharto. Nandritry ny fanjakany, nisy ny fivoarana ara-toekarena, fa nampitodika an' i Indônezia tany amin' ny demôkrasia ny fialan' i Suharto tamin' ny 1998.