Sinôgrama
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny sinôgrama na ny soratra sinoa dia soratra ampiasaina amin'ny fanoratana ny teny sinoa ary amin'ny teny aziatika hafa. Ny anaran'izy ireo amin'ny teny sinoa dia hanzi. Nampiasaina ho an'ny fanoratana fiteny hafa koa izy ireo: anisan'izany ny fiteny japoney (jereo kanji) ary ny fiteny koreana (jereo hanja) amin'ny teny vietnamiana, ny soratra sinoa dia antsoina hoe chữ Nôm. Ny soratra sinoa no soratra antitra indrindra mbola ampiasaina amin'izao fotoana izao. Amin'ny maha-soratra fampiasa azy ao amin'ny sinôsfera ary ny fahalazany ao Azia Atsinanana, anisan'ny soratra be mpampiasa indrindra eto amin'izao tontolo izao ny soratra sinoa.
An'aliny no isan'ny sinôgrama, na dia fiovana madinika ny sinôgrama hita ao amin'ny andinin-teny taloha aza ny ankamaroan'izy ireo. Ny fanadihadiana tao Sina dia maneho fa ny fahaiza-mampiasa ny soratra sinoa dia mila ny fahafantarana sinôgrama telo hatramin'ny efatra arivo. Ao Japana dia 2.136 no isan'ireo kanji (anaran'ny sinôgrama amin'ny teny japoney) ianarana any am-pianarana. Kanji maro noho izany anefa no tena fampiasa amin'ny fiainana mandavanandro. Maro ireo lisitra sinôgrama tokony fantatry ny tsirairay, ary samy manana ny azy ny firenena mampiasa ny soratra sinoa ; ny soratra nentindrazana dia mbola ampiasaina ao Taiwan, Hong Kong, Macao ary Korea Atsimo. I Japana dia manana ny fombany manokana hanatsorana ny sinôgrama, izay mbola akaiky amin'ny soratra sinoa nentindrazana noho ny soratra sinoa notsorina izay fampiasa ao amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina. Na dia misy aza ny fanatsorarana ataon'ny japoney (izay antsoina hoe shinjitai), ireo soratra tsy fahita matetika dia soratana amin'ny fomba nentindrazana ihany (kyūjitai), izay mitovy tsy misy valaka amin'ny soratra nentindrazana. Ao Korea Atsimo dia mampianatra ny soratra sinoa amin'ny ambaratongam-pianarana voalohany hatramin'ny faran'ny ambaratonga faharoa na dia tsy fampiasa isan'andro toa ny any Japana sy ny firenena hafa ao amin'ny sinôsfera aza izy ireo. Eo amin'ny 1.800 eo ho eo no isan'ny soratra sinoa ampianarina eny am-pianarana.
Tamin'ny teny sina taloha, manaraka ny fanononana ny fanoratana ny sinôgrama ary azo noheverina fa mitovitovy ny fanononan'ny sinôgrama mitovitovy. Amin'ny teny sinoa ankehitriny dia tsy marina intsony izany, ary ny teny dia matetika soratana amy sinôgrama roa na mihoatra. Izany satria ny sinôgrama izay dia tononina amin'ny alalan'ny vaninteny iray ary iray ihany. Mety maro ihany koa ny fomba fanononana ny sinôgrama iray, fa na dia izany aza vitsy kely ireo sinôgrama manana fanononana mihoatra ny iray.
Betsaka dia betsaka ireo sinôgrama mitovy fanononana, ary mety betsaka ihany koa ny mety ho dikan'ny sinôgrama iray. Amin'ny fiteny sinoa maro (kantoney, gan, wu) dia samihafa ny fanononana ny sinôgrama iray, fa amin'ny ankamaroan'ny tranga dia mitovy ihany ny hevitra entin'ilay soratra. Amin'ny fiteny hafan'ny sinôsfera, ny soratra sinoa dia ampiasaina amin'ny fanoratana ireo indran-teny avy amin'ny teny sinoa, izany dia marina ho an'ny teny japoney. Rehefa tsy indran-teny amin'ny teny sinoa no soratana amin'ny alalan'ny soratra sinoa, dia ny hevitra entiny no ampiasaina.