Rio Tinto
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Rio Tinto dia vondron' orinasa mpitrandraka harena an-kibon' ny tany anglô-aostraliana misandrahaka maneran-tany, izay miorina indrindra ao Aostralia sady manana foibe roa (any Melbourn sy any Lôndona) sy ao Amerika Avaratra. Io vondrona io dia hita ihany koa amin' ny firenena maro amin' ny Kôntinenta dimy, nefa ny ampahany be amin' ny fitrandrahany dia ao Aostralia sy ao Kanada.
Ny fananany dia mitentina 81 lavitrisa dôlara, izay azy amin' ny alalan' ny tambajotran' orinasa sy sampana maro[1]. Hatramin' ny nividiany ny Alcan sy ny famoronana ny Rio Tinto Alcan, ny fitrandrahana ny viraty (na alominiôma) no lehibe indrindra amin' ny anton' asa sahaniny: niteraka 40 % amin' ny varotra nataony tamin' ny taona 2008 izany[2].
Ny fitrandrahana ny vy kosa dia 28 % amin' ny varotra ataony, ary ny Rio Tinto, niaraka tamin' ny orinasa BHP Billiton sy ny orinasa Vale, dia iray amin' ny vondrona telo izay manjaka amin' ny tsena maneran-tany amin' ny fitrandrahana sy fivarotana io akora io. Isan' ny asa sahaniny amin' ny sehatra hafa iasan' ilay vondrona ny arina sy ny varahina.
Sampan' ny Rio Tinto ny QIT-Fer et Titane izay manana zana-tsampana hafa ka ny eto Madagasikara dia ny QIT Madagascar Minerals (QMM) izay miorina ao Tôlagnaro (Fort-Dauphin) sady mitrandraka ilmenita na "fasi-mainty".