Tatara (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Tatara dia vahoaka isan-karazany mpifindrafindra monina, anisan' ny vahoaka torkika, monina indrindra any amin' ny faritra afovoany sy atsimo amin' i Rosia, any Okraina, any Kazakstàna, any Torkia ary any Ozbekistàna. Niisa 8 tapitrisa mahery izy ireo tamin' ny faran' ny taonjato faha-20. Ny Tatara koa dia iray amin' ny vondrom-poko enina amby dimampolo voatanisa ao amin' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Sina. Misy fahasamihafana eo amin' ny Tatara, anisan' izany ny Nôgay.