Kazakstàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kazakstàna na Repoblikan' i Kazakstàna, dia firenena ao amin' ny faritra avaratr' i Azia Afovoany. Taloha i Kazakstàna dia faritanin' ny Fanjakana Rosiana ary anisan' ny repoblika mpikambana tao amin' ny Firaisan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietika taloha, ary nahaleotena tamin' ny taona 1991, manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Kaspiana sy ao amin’ ny Ranomasin' i Aral izy. Kazàka no anaran' ny mponina ao aminy. Atao hoe Qazaqstan sirilika. Қазақстан, /qɑzɑqˈstɑn/; anarana lava: Qazaqstan Respublïkası, sirilika. Қазақстан Республикасы amin' ny fiteny kazàka.
Қазақстан Республикасы ((kk)) | |||||
Qazaqstan Respublïkası kk | |||||
Республика Казахстан ru | |||||
Repoblikan'i Kazakstàna ((mg)) | |||||
| |||||
Teny ofisialy | Kazàka (fitenim-panjakana) Rosy (fiteny ofisialy) | ||||
Renivohitra | Nursultan 51°10′N 71°30′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Almaty | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisirtra |
Repoblika Kassym-Jomart Tokayev Askar Mamin | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 9 2 717 300 km² 6,82 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2012) - hakitroka |
faha 60 17 522 010[1] mpo. 5,7 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Kazàka | ||||
Sandam-bola | Tengue (KZT ) | ||||
Faritr'ora | UTC +5 (andrefana) ary +6 (afovoany ary atsinanana) | ||||
Hiram-pirenena | Менің Қазақстаным (Meniñ Kazakstanım) («Kazakstanako») | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+7 |
Ny renivohiny dia i Astana; ny fiteny kazàka no tenim-panjakana ary ny fiteny rosiana no teny ôfisialy.
Tany avo vaorakotra fatrana sy tendrombohitra ny tanin' i Kazakstàna. Any no ahitana ny tendrombohitra Oural sy Altai ary Tian Shan Andrefana. Mihoatra ny 2/3n' ny tanin’ i Kazakstàna no efitra na saika efitra. Ankoatr’ ireo ony lehibe, ny akamaroan’ ny renirano sy ony dia maina saika mandritra ny taona.
Ny mponin’ i Kazaksatàna, izay ahitana vahoaka sy foko maro, dia manana toetra mampiavaka azy manokana: ny Kazàka no vahoaka vitsy an’ isa ao amin’ ny taniny; ny Rosiana dia saika miovy isa amin’ ny Kazàka. Ahitana foko maro madinika koa ny any, ka isan’ izany ny Okrainiana, ny Alemàna, ny Tatara, ny Ozbeka, ary ny Oigora. Ny fivavahana silamo sy kristiana no be mpanaraka any Kazakstàna.
Anisan' ny firenena mandroso indrindra any Azia Afovoany i Kazakstàna. Taloha, ny toekaren’ i Kazakstàna dia niompana amin’ ny fambolena, fa nandritra ny naha tao amin’ ny Firaisana Sôvietika azy dia nandroso haingana ny taozava-baventy. Mandroso ihany koa ny fitrandrahana solitany sy etona voajanahary manodidina ny Ranomasina Kaspiana.
Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Kazakstàna nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mikambana ao amin’ ny Fianakaviamben’ ny Fanjakana Mahaleo Tena (Communauté des États indépendants -- CEI) izy.